Fotoana saika fanaovan’olona ny “Tsaboraha” aty amin’ny faritra atsinanana ny vanim-potoana misy antsika amin’izao. Saika ahitana tolona omby mazana izany “tsaboraha” izany, ary ireo tovolahy matanjaka amin’ireo fokontany misy ny lanonana sy voaasa, no mifandimby amin’izany tolona omby izany. Tamin’ity “tsaboraha” nitranga tao amin’ny kaominina Antsikafoka distrikan’I Fenerivo atsinanana fokontany Sahamalany ity anefa dia nivadika zavatra hafa ilay tolona omby nataon’ireo tovolahy, satria nitrangana faty olona izany noho ilay omby masika loatra. Tovolahy avy amin’ny fokontany Antanentiambo ity tovolahy maty nanao tolona omby ity, nefa talohan’izany dia lehilahy iray hafa koa no efa naratra nandritra ny tolona omby natao izay nentina notsaboana teny amin’ny toeram-pitsaboanan’ny kaominina Antsikafoka. Raha ny momba ilay tovolahy maty dia voadona mafy tamin’ny tratrany sy kibony ary ny lohany ny tenany nandritra izany. Na teo aza ny faty olona nandritra ity hetsika “tsaboraha” nahafaty olona ny tolona omby izay natao tao anatin’izany, dia tsy nanakana ny lanonana efa nomanina an-taonany izany, fa taorian’ny lanonana vao samy namangy sy niara-nikarakara ilay tovolahy maty ny teo anivon’ny fokontany misy ilay “tsaboraha” natao. Ilay naratra kosa dia mbola mitsabo tena hatramin’izao, ary efa niatrika ny fandidiana tsy maintsy natao noho ny vatany rovitry ny tandrok’ilay omby notolomina. Nampitandrina ny rehetra mba hiaro tena ny ben’ny Tanana tao Antsikafoka amin’ny tolona omby tsy maintsy atao amin’ny hetsika ara-drazana toy izao, satria aoka tsy ho hisy intsony ny tranga na faty olona toy izao ho an’izay manao “tsaboraha” manomboka izao.
Malala Didier


