- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika any Mahajanga ny "Receveur"Paositra

Mahazomà-Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika any Mahajanga ny « Receveur »Paositra

Mihazakazaka be ny raharaha, rehefa eo am-pelatanan’ny sampana miady amin’ny kolikoly na ny PAC: Pôle Anti-corruption, makasika fisiana mpandraharaha ny paositra nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana, tao Mahazomà an-tampon-tanàna. Raha ny vaovao voaray farany hatrany, ny 22 May 2024 teo no nahazo didy fampisamborana an-dRamatoa Flary Djala Florine, tokony ho 39 taona eo, izay mpandraharaha ny paositra na Receveur Paositra ao Mahazomà, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna ny Zandary avy ao amin’ny borigady Maevatanàna, ka niroso tamin’ny fanadihadiana sy famotorana avy hatrany. Rehefa vita ny famotorana nataon’ny ny mpitandro ny filaminana taminy, dia ny Alakamisy faha-24 May 2024 teo no natolotra ny « PAC » tao Tsararano ambany any Mahajanga ny raharaha sy Ramatoa Florine ho hanokafana famotorana sy hanaovana fanadihadiana, makasika an’ilay fanodinkodinam-bolam-panjakana tao amin’ny Paositra Mahazomà. Taorian’izay tsy niandry ela ny PAC na: Pôle Anti-corruption, fa avy hatrany dia nampiditra azy am-ponja vonjimaika, ao Marofoto. Tsara hatrany ny mampahafantatra hatreto, fa mbola tsy nahenoana feo, makasika an’ilay volan’ny Paositra tao Mahazomà, izay very tsy hita popoaka hatramin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici