Ny voalohany dia zazavavy izay tombanana ho fito taona ary tsy misy lohany sy tanana havia. Ny faharoa kosa lehilahy tokony ho 25 taona izay tsy nisy lohany sy tanany roa. Izay no hitan’ny olona tao amin’ny tany fambolena fary ao Morafeno-Mitsinjo, ao amin’ny fokontan’i Namakia. Nantsoina ny zandary mba hijery ny zava-misy ary mbola nitombo ihany aza ny zavatra hita. Nisy taolan-dàava miisa folo hita teo akaikin’ireo razana izay efa simba. Fa inona no mitranga ao an-toerana ? Fanarian’ny mpamono olona razana ve izany ilay alam-pary sa kosa mety ho azo heverina ny hoe misy manao sorona ? Nihoron-koditra ny olona raha nahita sy naheno ny zava-nitranga, indrindra fa hoe samy tsy nisy loha intsony ireo faty roa hita.
Nangonin’i D.R