Lehilahy iray namono tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny 22 taona, ny 3 oktobra teo, tao Namakia, ary naleviny tanaty lava-jezika tsy lavitra ny toerana namonoana azy ny razana avy teo, no niharan’ny fitsaram-bahoaka, omaly. Teo am-pisamborana azy sy ny namany roa lahy niray tsikombakomba taminy no nitsoaka ity mpamono vady ka tratran’ny hatezeram-bahoaka. Araka ny tati-baovao voaray, rehefa maty razazavavy dia nantsoin’ity lehilahy vadiny tamin’ny findain’ny namany niray tsikombakomba taminy ny fianakavian’ ilay tovovavy namoy ny ainy, sady norahonany hovonoiny koa raha tsy manome vola iray tapitrisa Ariary azy. Tsy afa-po nahazo ny vola iray tapitrisa izy fa mbola nitaky enina tapitrisa Ariary. Nanomboka teo no narahi-maso ny antso nataony sy ny toerana nisy azy, ka nahafahana nisambotra azy raha iny haka ny vola tany Mitsinjo, fa tsy nisy Kioska azo nakana ny lelavola tao Namakia. Rehefa voasambotra ity lehilahy namono ny vadiny ity, dia nanondro ny namany izy sady nanoro ny toerana nandevenan’izy ireo ilay tovovavy ; izay efa nohazan’ny alika. Aorian’ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana moa dia hatolotra ny Fampanoavana izy telo lahy ireto.
Eric Manitrisa