- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNamakia : Rongony 10 gony milanja 167 kg saron’ny Zandary

Namakia : Rongony 10 gony milanja 167 kg saron’ny Zandary

Rongony 10 gony milanja 167 kg niaraka tamin’ny lehilahy iray nitondra ireto zavamahadomelina ireto izay noentina tamin’ny « taxi-moto » no saron’ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Namakia tao Manakara, Fokontany Morafeno, Kaominina ambanivohitra Matsakabanja any amin’ny Distrikan’i Mitsinjo, Faritra Boeny, ny 04 desambra teo. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo iray ny mpitandro filaminana. Ary rehefa nahazo alalana avy amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna avy ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Mahajanga ihany koa ny Zandary fa hisava trano dia nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voatondro taorian’izay, ka sarona tao ireo zava-mahadomelina. Hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha aorian’ny fahavitan’ny famotorana, fa ireo rongony kosa hodorana eo imason’ny tompony sy ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana mialohan’ny fanaterana ny voapanga eny amin’ny Fitsarana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici