
Voatondraky ny orana tato ho ato izay ity zavamaniry voarara ity ka nandrobona sy maitso mavana ery. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy tokoa mantsy dia nahatratrarana voly rongony, roa fototra teny amin’ny tranon’ireo mpianatra teny Ankatso I. Taorian’ny tatitra nataon’olon-tsotra teny anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony teny an-toerana. Sarona teo amin’ny toerana voalaza tokoa ity rongony voakarakara tsara nambolena toy ireny voninkazo ireny, natao tao anaty tapaka « bidon jaune » miisa roa. Mazava ho azy araka izany fa tsy maintsy ho nisy namboly izy ireo fa tsy tongatonga ho azy tao. Hatreto, araka izany tsy fantatra izay tena tompony sy ny namboly izany. Efa am-panaovana ny fanadihadiana mahakasika izay ny pôlisy.
m.L