dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversNamoaka sy nivarotra bala : Zandary iray nadoboka am-ponja  

Namoaka sy nivarotra bala : Zandary iray nadoboka am-ponja  

Efa ahiahin’ny rehetra tokoa ny fisiana olona eo anivon’ny mpitandro filaminana, mpanome sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy. Voaporofo izany tany amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny, rehefa nisy ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nisy fahaverezana bala nahatratra teo amin’ny 50 isa teo tamin’ny toby iray. Voarohirohy tamin’izany ny zandary kilasy faharoa iray niasa tao amin’io toby io. Namoahan’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny zandary taratasy hahafahana manenjika avy hatrany ny lehilahy ny 22 aprily teo. Izany moa dia ahafahana mitondra ny raharaha teo anetrahan’ny fitsaràna. Ny talata lasa teo no nentina teo anivon’ny Fampanoavana tao Ambositra ity zandary nihoam-pefy ity. Taorian’izay dia fanatrehana azy teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana moa dia nisy ny fanapahan-kevitr’ireo farany ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika avy hatrany, ao amin’ny fonjan’Ambositra. Etsy andanin’izay, amin’ny toe-javatra tahak’itony dia tsy vitan’ny fanenjehana ara-keloka fotsiny no mahazo ilay mpitandro filaminana nihoam-pefy fa mbola mihatra aminy ihany koa ny famaizana ara-miaramila sy ny fampiharana ny fitsipika anatiny mifehy ny zandary. Ny any amin’ireo ambaratonga samihafa eo anivon’ny zandary ny antonta-taratasy mahasika izany, raha ny vaovao hatrany. Ny tranga tahak’izao tokoa no anisan’ny manaratsy endrika ireo mpitandro filaminana, ka tsy hisian’ny fifampitokisana intsony eo amin’ny roa tonta, ny vahoaka sy ireo mpitandro filaminana. Raha ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manokana dia efa misy hatrany ny ezaka ataon’izy ireo handravàna izany tsy fifampitokisana izany. Porofon’izany izao tsy fandeferana eo anoloan’ny tranga fandikan-dalàna hita ataon’ny iray amin’izy ireo izao. Fa eo ihany koa ny fiezahana manatona eny ifotony eny, hitondràna sy handresena lahatra ny tsirairay fa « namanao fa tsy fahavalonao ny zandary » … m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici