- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversNamono nahafaty ilay mpitam-bolan’ny Faritra Melaky : Maty voatifitry ny zandary i...

Namono nahafaty ilay mpitam-bolan’ny Faritra Melaky : Maty voatifitry ny zandary i Zetony, jiolahy raindahiny

Ny volana martsa 2018 no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny mpitam-bolan’ny Faritra Melaky, Itpk Vassily Patrick. Jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Zetony no voalaza, fa tompon’antoka tamin’izany. Ny zoma lasa teo ity olon-dratsy ity no voasambotry ny zandary, ary maty voatifitra, raha saika hitsoaka.

Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena hatrany, dia nisy ny angom-baovao azon’izy ireo mahakasika ity olon-dratsy ity, izay efa namoahana taratasy fampikarohana efa roa taona lasa teo izay, noho vono olona mahatsiravina nataony tamina mpiasam-panjakana iray tany amin’iny faritra Melaky iny. Re fa tsy mipetraka amin’ny toerana iray ity olon-dratsy ity, fa mivezivezy ka any Antsalova na any amin’iny faritry Belo Tsiribihana iny. Ary mety ho izay no nampanano sarotra ny fitadiavana azy. Izy rahateo raha ny fantatra efa nanova anarana sy kara-panondro

Rehefa nisy io angom-baovao io, dia napetrak’ireo zandary tao Bemonto ny vela-pandrika ka tsy afa-bela intsony i Zetony. Nentina avy hatrany natao famotorana ingahirainy ka  tena niaiky, fa izy no  namono sy nanapa-doha ilay mpitam-bolan’ny Faritra Melaky, tamin’ny taona 2018. Nambarany anefa, fa mbola manana namana mpiray tendro aminy izy tamin’io vono olona io sy tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana, nampitondra faisana tanteraka iny faritra iny. Nanaiky ny hiara-kiasa tamin’ireo zandary ity farany hanoro ny misy ireo namany ireo. Kanjo nony tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalamboay, fokontany Tsianaloka, kaominina Soahany, dia nanararaotra nitsoaka ingahirainy. Toy ny efa fanaon’ireo mpitandro filaminana mahazatra, dia nisy ny fampitandremana natao mba hijanonany, saingy tsy niraharaha izany i Zetony. Voatery nampiasa basy sy nitifitra araka izany ireo mpitandro filaminana nanenjika azy. Vokany maty tsy tra-drano rotiky ny bala ity jiolahy raindahiny ity. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany voalaza, fa mpiray petsapetsa taminy tamin’ireo asa ratsy fanaony, araka ny loharanom-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici