- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Fatin-dehilahy nihosin-drà teo amoron-dalana

Namontana : Fatin-dehilahy nihosin-drà teo amoron-dalana

Omaly maraina no nahitan’ny olona teny an-toerana fatin-dehilahy iray feno rà teny amin’ny faritr’i Namontana eny Anosibe. Nitsirara teo amin’ny arabe ilay izy. Rehefa nojerena akaiky dia efa tsy nisy aina intsony. Nampilaza ireo tompon’andrikitra isan-tsokajiny ny tompon’andrikitry ny fokontany. Nalefa eny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana. Tamin’ny fizahana no nahitana fa nisy dian’antsy lasa lalina tokoa ny vatany. Araka izany dia nisy namono ity lehilahy tokony ho eo amin’ny 35 taona eo ho eo ity. Tsy fantatra kosa na teny an-toerana ihany no nanaovan’ny sasany an’izany na tany amin’ny toeran-kafa. Rehefa nanontaniana ny mponina dia tsy misy mahafantatra azy. Tany aminy koa tsy nisy taratasy nahafantarana azy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici