- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversNamontana : Iray tamin’ireo andian-jiolahy mpamaky trano voasambotry ny pôlisy

Namontana : Iray tamin’ireo andian-jiolahy mpamaky trano voasambotry ny pôlisy

Ny iray tamin’ireo olon-dratsy voasambotry ny pôlisy.

Andian-jatovo maromaro no fantatra fa isan’ireo mpampihorohoro, mamaky trano sy manendaka miaraka amin’ny zava-maranitra eny amin’iny faritra Sarimasina, eny Namontana iny. Efa maro amin’ireo mponina no mitondra faisana ary mitaraina any amin’ny pôlisy. Nahatonga ireto farany nidina avy hatrany teny an-toerana nametraka ny paik’ady, handravana izany andian-jiolahy izany. Omaly dia iray tamin’ireo tovolahy no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, tetsy Mahamasina. 21 taona ny lehilahy, hoy ny fampitam-baovao azo, ary niaiky tsara ny naha-olon-dratsy azy. Rehefa naharay ireo fitarainana ireo tokoa mantsy ny pôlisy dia nanao fisafoana tsy tapaka teny an-toerana. Nitety ireo lalana sy elakelan-trano voalaza fa tokotany filalaovan’ireto andian-jatovo mahery fihetsika ireto. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany, ny andron’ny alakamisy teo, no nifanehatra tamin’ny tovolahy nampiahiahy izy ireo. Nikasa ny handositra avy hatrany ity farany raha vao nahita ireto mpitandro filaminana saingy tsy afaka nankaiza intsony rehefa voasakana. Tamin’ny fotoana nisamborana azy, hoy hatrany vaovao azo, dia mbola nahitana zava-maranitra tany aminy. Nilaza moa ity farany nandritra ny famotorana azy, rehefa nentina nihazo ny birao ingahirainy, fa mbola misy namany hafa niaraka nanao izany asa ratsy izany aminy. Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana ataon’ny eo anvion’ny pôlisy. Ary milaza izy ireo fa tsy maintsy ho rava tsy ho ela izay tambajotran-jiolahy mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra Namontana iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici