- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Menaka rongony 36 litatra sarona, olona efa voasambotra

Namontana : Menaka rongony 36 litatra sarona, olona efa voasambotra

Eo amn’ny 70 tapitrisa ariary eo no teti-bidiny. Menaka rongony mahatratra 36 litatra no saron’ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, na ny SAG tetsy Anosy, ny talata lasa teo, tao Namontana. «  Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny polisy fa misy olona mivarotra menaka rongony eny Namontana. Nanao ny velapandrika ny polisy ka ny talata 15 septambra 2015, tokony tamin’ny 12 ora antoandro, dia nifanao fotoana teny amin’ny Rond Point Be tamin’ireo mpivarotra menaka rongony izy ireo », hoy ny vaovao. Olona efatra no voarohirohy sy nanaovana fanadihadiana mikasika ity raharaha menaka rongony ity, vehivavy ny iray. Marihina, hoy hatrany ny vaovao, fa manodidina ny 400.000 ariary eo no vidin’ny iray litatra amin’ity rongony mahery vaika ity, ary any amin’iny faritra Ambanja sy Mampikony iny no anafaran’ireto olon-dratsy an’ity entana ity. Araka ny fampitam-baovao hatrany, « tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia avy any Ambanja ireo Menaka rongony ireo ary tany Mampikony ireto mpivarotra no niakatra taty Andrenivohitra. 600.000 Ariary no nividianany ny iray litatra amin’io menaka rongony io ary hamidy 700.000 Ariary rehefa tonga aty Antananarivo». Tao anatin’ireny « bidon »-na 20 litatra ireny, anakiroa, no nanafenan’ireo olon-dratsy ireto ilay menaka rongony, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « goudron », ary nentina tamin’ny fiara. Ny olona telo no voasambotra ny andron’io talata io, raha ny fanazavana azo. Tafaporitsaka kosa ilay mpamily, kanefa tsy niandry ela fa voasambotra ny alarobia lasa teo. Omaly izy efatra mianadahy ireto no natolotra ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici