Olona efatra no indray nampidirina am-ponja vonjimaika omaly, ka ny iray tamin’izany dia vehivavy. Hikoizana amin’ny fanendahana sy famonoana olona teny amin’iny faritra Madera Namontana ireo olona voarohirohy ireto, izay voasambotry ny pôlisy ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia izy ireo no niray tsikombakomba tamin’ny famonoana ka nahafaty lehilahy iray; rehefa novelesina tamin’ny “bois rond”, ny volana janoary lasa teo. Tsy vitan’ny novonoina anefa fa mbola noendahina ihany koa ity rangahy ity, ka lasa ny finday, sakaosy, vola sy ireo zavatra sarobidy teny an-kodiny. Nandray ny raharaha avy hatrany ny mpitandro filaminana ka tratra ny faramparan’ny volana Mey lasa teo ny lehilahy antsoina hoe Rainita, isan’ny hikoizana amin’ny resaka fanendahana eny an-toerana, ary niaiky ihany koa fa nandray anjara tamin’ny fivelesana “bois rond”. Taty aoriana, rehefa nanondro ny namany i Rainita, dia voasambotra ny herinandro lasa teo, tao an-drenivohitr’i Betsileo tao ny namany telo mianadahy, izay samy niaiky avokoa fa isan’ireo mpiray tendro namono nahafaty ilay rangahy, ary nampalaza ny resaka “bois rond” tamin’izany andro izany. Mbola misy ny naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao hatrany. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy ireo ary avy hatrany dia naiditra teny Tsiafahy ireo lehilahy, ary teny Antanimora kosa, ilay vehivavy voasambotra.
m.L