- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Mpangala-jaza telo lahy nifanenjehana hatrany anaty tsinkafona

Namontana : Mpangala-jaza telo lahy nifanenjehana hatrany anaty tsinkafona

Telo lahy izy ireo, fa ny roa no voasambotra rehefa nifanenjehan’ny fokonolona sy nidinan’ireo polisy hatrany anaty tsinkafona rehetra tany. Mbola eo am-pikarohana ity namany iray kosa ireo mpitandro filaminana. Zava-nitranga omaly hariva teny amin’iny faritra Namontana iny.

Nisahotaka tokoa ny olona teny an-toerana, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Voalaza, fa nisy telo lahy nihaodihaody teny an-toerana, nibata zazakely ary lasa nitsoaka. Nahita telo lahy nanao tari-dositra tokoa ireo fokonolona ka rafitra nanenjika azy ireo. Nitsoaka nihazo ilay fivarotan-dasantsy ety Andavamamba iny izy ireo ka tratran’ny fokonolona teo ny iray. Fotoana fohy taorian’io no nahazo antso ireo tomponandraikitry ny filaminana ka nidina avy hatrany teny an-toerana. « Araka ny filazan’ny fokonolona teny an-toerana, dia mpangala-jaza hono ity lehilahy tratra ity ary mbola misy namany miafina anaty tsinkafina tsy lavitra teo » hoy ny tatitra azo avy tamin’ny Sampana misahana ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy nisalasala, fa avy hatrany dia nidina nikaroka izany lehilahy voalaza fa niafina tao anaty tsinkafona izany ireo polisy. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any, io fa sarona tokoa io lehilahy io. « Araka ny vaovao azo ihany koa, dia mbola misy naman’izy ireo hoy ny fokonolona miafina eny amin’io toerana feno tsinkafina io ka efa nidina eny an-toerana indray ny Polisy taorian’ny fahatrarana ilay iray faharoa, hanamarina ny vaovao ». Hatramin’ny ora nanoratanay, dia mbola manao ny fikarohana eny an-toerana ireo tompon’andraikitra amin’izany. Ireo roa lahy voasambotra kosa dia efa nentina nihazo avy hatrany ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalàna, atao fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici