Nodarodarohana ny tarehiny, avy notsatohana antsy ny tratrany. Rà mandriaka vao maraina no nitsena ireo mponina teny amin’iny faritra Namontana Anosibe iny, omaly. Raim-pianakaviana no hita faty teo amin’ny arabe. Tsy lavitra azy teo ny bisikiletany, ary mbola mifatotra tsara aorian’izay ny garaba; izay heverina fa saika hitondra entana.
Raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana, dia mpiantsena vao maraina eny Namontana io rangahy io. Niezaka namonjy avokoa ny rehetra, izay nahita azy voalohany saingy indrisy fa toa efa vatana mangatsiaka mihoson-drà no hitan’izy ireo. Mampihoron-koditra, fa mbola mitsatoka sy milentika tsara eo amin’ny tratrany ny antsy namonoana azy. Niantso ny tompon’andraikitry ny filaminana avy hatrany izy ireo. Iretsy voalohany moa dia tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy.
Azo heverina avy hatrany, fa hoe nisy namono ity raim-pianakaviana ity. Mety ho niharan’ny fanafihana sy fanendahana azy, ary izao niafara tamin’ny famonoana azy ho faty izao mihitsy. Mbola teny ambony bisikiletany ihany koa izy no nianjera angamba rehefa nosakan’ireo olon-dratsy, raha ny fahapotehana hita tamin’ity kodiaran-droa nentiny ity. Tsy vitan’izay anefa, fa toa mbola nampijalijaliana ihany koa ilay lehilahy talohan’ny nanaperana ny ainy. Mety hoe somary namaly ireo nanafika azy angamba. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay entana sy vola lasan’ireo nahavanon-doza. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly eny Ampefiloha moa ny vatana mangatsiakan’ity raim-pianakaviana ity, miandry ireo havany.
Raha ny filazan’ireo mponina eny amin’iny faritra iny ihany koa, dia lasa zohy fieren-jiolahy sy tokotany fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny raha eny amin’iny faritra nahavoa ity lehilahy ity. Ny pôlisy izay tonga teny an-toerana kosa nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha ary inoana fa eo am-panaovana fanadihadiana, hikarohana ireo olon-dratsy.
m.L