Trangan-javatra tsy faheno firy no hita tetsy Namontana ny faran’ny herinandro lasa teo. Voay lehibe, mahatratra eo amin’ny dimy metatra eo mantsy no hitan’ny mponina nandehandeha teny an-tanàna. Hatairana ny an’ireo mponina tamin’ity tranga iray ity. Avy aiza sa an’iza ? Fanontaniana tsy niala teny am-bavan’izy ireo. Raha ny filazan’ireo mponina sasantsany dia toa hoe io lakan-drano eny an-toerana io mihitsy no efa nalaza hatramin’izay fa nisy voay. Saingy nijanona ho siotsion-dresaka izany teo aloha teo. Kanefa dia izao voamarina izao ny fisiany. Ny hafa indray milaza fa an’olona mety nisy niompy tany aminy tany io, saingy tafavoaka, na vaky ilay dobo niompiana azy. Tsy fantatra hatreto ny tena marina mahakasika ity voay ity. Ny zava-misy aloha hatreto dia nisy ilay biby ary nandehandeha teny an-tanàna. Nosamborina moa izy io raha ny vaovao azo, ary efa naterina eny amin’ny valan-javaboahary eny Tsimbazaza.
m.L