Handeha hovonoina ao amin’ny toeram-pamonoana tao Ankadindratombo ity omby ity no tafatsoaka. Teny an-dalana, olona efatra no voatoto. Nandriaka ny rà.
Zava-doza indray no niseho tetsy Namontana, ny zoma hariva lasa teo. Omby iray no nandrongatra, nandratra olona maro teny an-toerana. Avy any Ankadindratombo any ity omby ity no nanavatsava faritra maro ary tsy tafajanona raha tsy voafandrika tao anaty honahona teny amin’io toerana voalaza io. Marihina fa anisan’ny toerana be olona ireo faritra nandalovany ireo. Nikoropaka nitsoaka avokoa ny olona nifanena taminy, ary izay toe-javatra izay no vao mainka nampasiaka an’ilay biby sy nampiasainy ny tandrony. Olona roa no fantatra fa tena voa mafy tanteraka tao anatin’izany. Ny iray, 24 taona, araka ny angom-baovao azo hatrany, no tsy tana ny ainy, rehefa voatrobaka teo amin’ny kibony. Tovolahy iray kosa, 17 taona, no voa teo amin’ny firihifany. Noezahina nentina namonjy mpitsabo haingana moa, saingy indrisy fa tsy tana ihany koa ny ainy, rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly. Tafakatra roa araka izany no namoy ny ainy, tao anatin’izay loza nitranga. Ny razana dia efa samy nomena ny fianakaviana avokoa teny an-toerana. Nisy ankizy anankiroa ihany koa fantatra fa naratra, saingy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ary tsy misy ahatahorana intsony.
Efa nampandrenesina nahakasika ity toe-javatra ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana ary ny mpamonjy voina. Ireto farany no niara-nisalahy tamin’ireo fokonolona, raha ny nambaran’ny lehiben’izy ireo, niezaka nifehy sy namatotra izany omby masiaka izany. « Tafalatsaka tao anaty honahona io omby io, ary nampiasa ny paik’ady rehetra ny teo anivon’ny mpamonjy voina mba hanalàna azy tao, hifehezana azy ihany koa tsy hahatonga loza hafa indray » hoy ny fanazavana azo. Marihina fa tamin’ny valo ora alina tany ho any vao afaka tao izany omby izany. Tetsy andanin’izay, satria nisy ny ain’olona nafoy, dia tsy maintsy nisy fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany sy ny fampiantsoana ny tompon’ny omby, ho ana amin’ny biraon’ny pôlisy.
m.L