- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Rangahy maty notifirin’ny jiolahy

Namontana : Rangahy maty notifirin’ny jiolahy

Lasa ny telo tapitrisa ariary ary maty tsy tsa-drano kosa ilay rangahy tompony. Ny alatsinainy hariva, tokony ho tamin’ny fito ora no nitrangan’izany fanafihana mitam-piadiana izany. Mpivarotra no anton’asan’ilay niharan’ny vonoan’olona. Avy namita ny asa aman’andraikiny izy no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy, raha iny handeha hamonjy fodiana iny. Izany rehetra izany dia teo imason’ny vadiny no nitranga. Izy mivady mantsy no handeha hiaraka hody tamin’io fotoana io. Efatra ny isan’ireo jiolahy ary teo amin’ny kibon’ilay raim-pianakaviana no voaitifitra ka nitarika ny fahafatesany. Kalachnikov no basy niasa ary raha mba saika hiaro ny tenany sy ny fananany ilay rangahy dia notifirina avy hatrany. Niteraka savorovoro teto an-drenivohitra hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny famonoana olona ataon’ny jiolahy mitam-piadiana. Saika izany hatrany no heno any amin’n y radio rehefa miditra an-tsehatra ny mpihaino. Eo anivon’ny mpiara-monina ihany koa dia tsy misy afa-tsy tahotra sy fikorotanan-tsaina noho ny asan-jiolahy ny resaka. Hita taratra izany amin’ny endriky ny olona izay mandehandeha eny rehetra eny, na amin’ny antoandro aza. Mailomailo sy kaodikaody ny tsirairay hany ka na dia mifandona kely tsy nahy aza dia efa mikoropaka be, na tonga amin’ny fikasihan-tànana aza indraindray. Isan’ny nifantohana tamin’ny atrikasa ny mahakasika ny fiarovana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Andrasana ny fampiharana ny tetikady tapaka tamin’izany, ary faran’izay haingana mba hampijanonana ity vonoan’olona sy rà mandriaka etsy sy eroa ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici