Baomba maromaro no saron’ny pôlisy avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-5 teny amin’ny roalahy, teny amin’iny faritra Namontana iny, omaly folakandro.
Nifety tokoa ny Malagasy nandritra iny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena iny. Ary raha nandeha tokoa ny feo ny amin’ny resaka fankorontanana saika hataon’ny andian’olona, teto an-drenivohitra, nandritra ireny fety ireny, dia toa nizotra am-pilaminana avokoa ireo hetsika isan-karazany natao. Saingy izay aloha no fiheveren’ny daholobe azy. Fa tao ambadika kosa, toa saika tanteraka ihany izany fanakorontanana izany. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny pôlisy avy amin’ireo mponina mantsy dia tra-tehaka omaly, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any, teny amin’iny faritra Namontana iny, ny roalahy nampiahiahy tamin’ny fihetsika nataon’izy ireo. Tamin’ny fisavàna natao tamin’izy ireo no nahasarona ny “baomba” teny amin’izy ireo. Tsy tazana tany amin’ireto zavatra mipôaka, hita tany anaty ny sakaosin’izy roalahy ireto, ny fitaovana fanapoahana azy, araka ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy mbola any ireo fitaovana ireo, hoy hatrany ny fanazavana, ary mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona hafa mitazona ireo fitaovana fampihorohoroana ambiny ireo. Azo lazaina fa voasoroka aloha ve izany ilay aloky ny fanakorontanana? Saika handeha hapoaka ve ary hapoaka aiza ireto fitaovam-piadiana tratra ireto ? Fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny aloha. Fantatra fa ny pôlisy misahana ny heloka bevava eny Anosy no handray an-tanana indray ny fanadihadiana.
m.L