Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika teny amin’iny faritra Anosibe, ny harivan’ny talata hariva lasa teo. Dimy lahy izy ireo no fantatra fa nanafika tamina tokantrano iray tao Namontana. Lasa tamin’izany ny vola sy ny firavaka, ary tsy vitan’izay fa mbola saika niharan’ny filan-dratsin’ireo olon-dratsy ihany koa ilay ramatoa tompon-trano. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena dia nisy dimy ireo olon-dratsy no nanao amopletra niditra tao amin’ilay tokantrano tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Nandrahona ny tompon-trano ireto jiolahy ireto ary nangorona ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano. Teo am-pikasana ny hanolana ilay ramatoa izy no tonga ny polisin’ny Sag, izay voaantso ara-potoana. Nitsoaka avy hatrany moa ireo mpanafika ary raikitra teo ny fanenjehana, tamin’io alina io ihany. Tovolahy iray no voasambotra tamin’io fotoana io, izay voalaza fa isan’ny nandray anjara tamin’ilay fanafihana. Basy vita gasy iray no tratra teny aminy raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy nihanona fotsiny tamin’io anefa ireo mpitandro filaminana, fa mbola nitohy nanao ny fikarohana sy ny fisafoana ny manodidina. Nisy lehilahy iray, nampiseho fihetsika nampiahiahy ihany koa nosamborina ary fantatra, fa mbola isan’ireo olon-dratsy. Sarona teny amin’ity farany moa ny baoritra nisy ampaham-bola azon’izy ireo tao amin’ilay tokantrano ary ny zava-maranitra nentina nanafika. Marihana, fa izy roa lahy ireto dia efa jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary efa nigadra teny Tsiafahy. Efa natolotra ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto ka naverina nadoboka eny Tsiafahy indray mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.
m.L