Nitrangana hain-trano indray teto an-drenivohitra omaly, teny amin’iny faritra Madera Namontana iny. Araka ny fanazavàna azo dia trano hazo iray no nirehitra teny an-toerana tamin’io fotoana io. Vokany, may kila hotohoto tanteraka ity trano ity ary tsy nisy azo noraisina intsony ny entana rehetra tao amin’io trano io. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony niavian’ny loza. Ny afo efa nijoalajoala teny an-toerana no nanaitra ny fokonolona teo amin’ny manodidina. Niara-nirohatra avokoa ny rehetra raha nahita ny loza nitranga ary samy niezaka nifehy sy namono ny afo. Fotoana fohy taorian’izany no tonga ireo mpamonjy voina namono tanteraka ny afo, izay efa tamin’ny ampahany voafehin’ireo fokonolona teny an-toerana, tsy hitatra intsony tamin’ireo trano manodidina. Marihana fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy tamin’ity hain-trano ity saingy izao nahapotehana entana nohariana an-taonany maro izao.
nangonin’i m.L