Omaly vao maneno akoho, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina no nitranga ny fanafihana. Teo amin’ny sampanana izay mizotra hoany Namontana, raha nanala olona ny taxi-brousse iray izay avy any amin’ny làlam-pirenena voalohany, no nanatona ny telo lahy raha kely indrindra. Ny roa niditra avy aorian’ny fiara, ary tafiditra tao anatiny. Ny fahatelo kosa avy hatrany dia nanambana antsy lavalela ny mpamily. Ny vola teny amin’io saofera io no nataon’izy ireo lasibatra voalohany. Lasa arak’izany ny saran-dàlana rehetra miampy izay mety ho ambim-bola teny aminy. Tsy nionona tamin’izay anefa ny jiolahy, fa mbola nandroba koa ireo mpandeha tao anatin’ny fiara. Rehefa lasa ireo vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana izay akaiky indrindra. Natao ny fisafoana kanefa efa tsy nisy hita intsony ny olon-dratsy. Mbola tao anatin’ny haizina koa ary poa toy izay dia nanjavona ireo telo lahy.
D.R