Nisehoana hain-trano mahatsiravina tetsy Namontana ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Trano iray vita amin’ny biriky izy io ary dimy mianaka izy ireo no tao anatiny raha ny fanazavàna azo. Samy naratra sy may avokoa izy rehetra tao an-trano saingy zazakely iray vao efa-taona monja no tena voa mafy indrindra ary namoy ny ainy tao anatin’izany.
Raha ny angom-baovao azo dia vokatry ny fisiana lasantsy tao an-trano no nahatonga ity loza ity. Nisy iray tamin’ireo olona tao an-trano mantsy araka ny voalaza no nametraka io solika io tao an-trano noho ny asany. Sendra nisy ankizy nilalao anefa teo akaikin’izany lasantsy izany, izay nitondra afo ka nampidedaka ny trano. Nahazo vahana avy hatrany ny afo, ary nanenika ny trano. Afa-nitsoaka ihany anefa ireo olon-dehibe, niaraka tamin’ny zaza iray raha vao nihanaka fotsiny ny lela afo. Ankizy iray sendra tavela teo amin’ny seza nipetrahany no tsy nahita lalan-kaleha noho ny setroka ka tavela tao ary io namoy ny ainy io. Tsy nisy noraisina ihany koa araka izany ny entana rehetra tao amin’io trano may io. Ireo fokonolona teny an-toerana ihany moa no niezaka namono ny afo, ary nifehy ny tsy hitaran’izany. Efa tsy nisy atahorana intsony rahateo ny firehetana nony tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana moa ireo naratra vokatr’ity hain-trano ity.
Fa ankoatr’ity teny Namontana ity dia fantatra fa nitrangana hain-trano ihany koa tetsy Analakely, tao amina hôtely lehibe iray teny an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. “Court-cicuit” tao amina efitrano iray any amin’ny rihana farany ambony no nahatonga ny loza raha ny angom-baovao azo. Vetivety dia voafehy ihany moa ny afo. Tsy nisy ihany koa ny naratra na ny namoy ny ainy.
m.L