Tsikaritry ny ray amandrenin’ilay zaza fa niova ny toe-pahasalaman’ny zanak’izy ireo. Fantatra teo fa nisy nanolana izy. Mbola zaza kely io niharan’ny herisetra ara-nofo io.
Ny herinandro lasa teo, nisy indray ny trangana herisetra ara-nofo nihatra tamin’ny zaza tsy manan-tsiny teny amin’iny faritra Namontana iny. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia naharay fitoriana avy tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan’izany habibiana tsy roa aman-tany izany izy ireo ary nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny fikarohana izay olona mety ho nahavanon-doza. Ny tena loza dia zazavavy kely vao telo taona monja ity lasibatra ity. Raha ny fanazavana azo hatrany mantsy dia niova tanteraka ny toe-pahasalaman’ilay zaza taorian’ilay tranga. Nanapa-kevitra ny hitondra azy avy hatrany tany amin’ny dokotera ireto ray aman-dreniny ka akory ny hatarain’izy ireo raha naheno fa io niharan’ny fanolanana io ny zanany. Tamin’io fotoana io ihany dia nandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza, izay tsy aiza, hoy ny vaovao hatrany fa teny amin’ny manodidina ihany. Zazalahy mbola tsy ampy taona ihany koa izy io, 17 taona, ary mponina ao Namontana Anosibe ihany. Tamin’io fotoana nanaovany ny asa ratsiny dia nanararaotra ny tsy nahateo ny ray aman-drenin’ilay zaza ity zazalahy ity ary nanantanteraka ny filan-dratsiny. Vita ny nataony dia nitsoaka toy ny tsy teo izy.
Nentina natao famotorana avy hatrany moa ity farany ary niaiky ny zava-dratsy nataony. Taorian’io ihany moa dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ary nadoboka am-ponja vonjimaika, eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L