- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rongony tao Imerinafovoany : Nampangain’ny mpanjifa ireo mpivarotra

Bizina rongony tao Imerinafovoany : Nampangain’ny mpanjifa ireo mpivarotra

Voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Imerinafovoany iny ireo mpanamparitaka sy mpibizina rongony hikoizana teny an-toerana, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fitairanana nataon’ireo mponina teny an-toerana dia niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo mpitandro filaminana. Roalahy ireo izy ireo voapaingotra. Ary ny somary nahatsikaiky dia ireo mpanjifany ihany no nanoro ny misy ireo fakàn’izy ireo ny « entana ». Raha ny fantatra dia tena miparitaka izay tsy izy mihitsy ity zava-mahadomelina ity eny an-toerana. Tsy mitsaha-mitombo ireo tanora miroso amin’ny fidorohana ary ny tena mampalaelo, misy tena mbola kely mihitsy dia efa mandray rongony sahady. Toe-javatra tahak’izany, miampy ny fofon-drongony, izay tsy laitra iainana isan’andro eny an-toerana no nahatonga ny mponina hitairana. Nisy ny paik’ady nentina namandrihana sy nisamborana ireo mpifoka rongony, nataon’ireo mpitandro filaminana. Niisa dimy izy ireo no voapaingotra teo am-pidorohana. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nanoroany ireo olona mpivarotra, izay niafara tamin’ny fisamborana azy ireo ihany koa. Ankoatra ireto olombelona voasambotra ireto moa dia nambaran’ny fampitam-baovao fa mbola nahatratrarana fonosana rongony 23 isa tany amin’ireo mpivarotra ireto, izay nokasain’izy ireo mbola hamidy. Nentina notanana natao andrimaso avy hatrany moa ry zalahy ary nogiazana ireto zava-mahadomelina ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici