- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversStade Barea : Nampiasaina avokoa ny rakitsary teo amin’ny manodidina

Stade Barea : Nampiasaina avokoa ny rakitsary teo amin’ny manodidina

Isan’ny ampahan-tsary azo tamin’ny « caméra de surveillance ».

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fivondronan’ny mpitandro ny filaminana avy eo amin’ny Emmo-Far fa nisy ny fanadihadiana nosokafana mahakasika ny fifanosehana nahafaty olona ny zoma lasa teo, tetsy anoloan’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Izany no natao dia hahafahana mamaritra izay mety ho tompon’andraikitra ary hahafahana ihany koa mandray fepetra manandrify izany, raha araka ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmo-Far. Nisy araka izany ny komisiona manokana ivondronan’ny mpanao fanadihadiana avy eo anivon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana tsirairay. Ankoatra ny fihainoana ny fijoroana vavolombelona tamin’ireo olona izay mety nahita na niaina izay tena zava-nitranga dia miompana betsaka amin’ny fijerena ireo karazana horonan-tsary azon’ny « caméra de surveillance » sasany teo amin’ny manodidina ny vavahady nitrangan’ny loza. Etsy andanin’izany, isan’ny nahatalanjona ny maro ny fanambaran’ny solombavambahoaka avy eo amin’ny boriborintany fahadimy nandritra ny famangiana ireo narary avy eo amin’ny faritra nahalany azy. Notsipihiny mantsy fa tao anatin’ny sary dia misy olona efatra nanosika ary izany no heverina ho nitarika ny korontana. Raha ny fijerin’ny mpanara-baovao dia tsy kisendrasendra velively ny zava-nitranga. Nanaraka lamina tsara mantsy ny olona ary nilahatra hatramin’ny marain’andro. Tampoka teo anefa dia lasa namaky ny vavahady noho ny tosika mafy ary nahafaty olona 13 izany. Mendrika ny ho lasa lavitra ny fanadihadiana, satria efa eo am-pelatanana rahateo ny rakitsary rehetra hahafahana mijery akaiky ny fivoaran’ny niavian’ny tosika. Ny asabotsy teo dia efa nisy 56 tamin’ireo naratra no efa nivoaka ny hopitaly Hjra. Mbola maromaro kosa anefa ny arahina akaiky ny toe-pahasalamany ary tsy maintsy mbola tazomina ao amin’ny hopitaly. Isan’izany ireo izay tsy maintsy nodidiana. Ankoatra izay dia nisy koa ny razana mbola tsy azo nahetsika tao amin’ny tranom-paty ny faran’ny herinandro teo. Ny antony dia noho ny fahasahiranan’ny fianakaviany amin’ny hoenti-manana, satria misy tsy maintsy alevina any amin’ny faritra lavitra an’andrenivohitra ireo namoy ny ainy. Eo amin’ny tontolo politika indray dia tena namelona ny adihevitra iny zava-nisy iny ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Toy ny mahazatra dia ao ny mamono afo ary ao koa ny mandrehitra afo ary ankoatra ny fampiasana ny haino aman-jery araka ny firehana tohanany dia mifampitana koa eny amin’ny tambajotra sosialy ireo mersenera mivelona amin’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici