- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilÀ lireAkanin’ny zaza kamboty Ambatolampy: Nampifaly ireo ankizy teny Anosy ny minisitry ny...

Akanin’ny zaza kamboty Ambatolampy: Nampifaly ireo ankizy teny Anosy ny minisitry ny filaminam-bahoaka

Ny minisitra Rakotoarimanana Herilala sy Ramatoa vadiny sy ireo ankizin’ny akany.

Toy ny fanao isan-taona dia misy hatrany ny fijerena manokana ireo ankizy tezaina ao amin’ny akanin’ny zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy rehefa fetin’ny fahaleovan-tena toy izao. Noho izany dia noraisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakoarimanana Herilala sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo tale isan’ambaratongany eo anivon’ny polisim-pirenena teny amin’ny toeram-piasany teny Anosy ireto ankizy ireto, izay  notronin’ireo ray aman-dreniny avy sy ireo mpanabe azy ireo, ny andron”ny 26 jona lasa teo.  Ho fampifaliana azy ireo dia nanolotra fanomezana, toy ny kilalao, sakafo sy kojakoja samihafa, ho azy ireo ny minisitra.  Nandritra izany no nanambarany fa mahatsiaro lalandava sy manana adidy amin’izy ireo ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ka tsy maintsy manampy toy izao. Noho izany dia nanafatra izy ny mba hilofosan’ireto ankizy amin’ny fianarana. Zaza kamboty miisa 66 no nisitraka izao fanomezana izao ka ny dimy tamin’ireo no niatrika ny fanadinana CEPE ka afaka daholo.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici