- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha « Manakasina III » : Nanamafy ny katôlika fa azy ireo ny tany

Raharaha « Manakasina III » : Nanamafy ny katôlika fa azy ireo ny tany

Ireto tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny arsidiosezin’Antananarivo omaly tetsy Antanimena

Manoloana ireo savorovoro samihafa mahakasika ny tany mitondra ny anarana hoe Manankasina III, etsy kaomina Ambohimangakely, dia nanamafy ny eglizy katôlika, avy eo anivon’ny arsidiosezin’Antananarivo fa azy ireo ny tany, araka ireo antontan-taratasy ara-panjakana hananan’izy ireo. Manginy fotsiny ny didim-pitsaràna efatra izay nivoaka ary nahazoan’izy ireo rariny hatrany. Omaly dia ny fampahafantarana izany, teo anoloan’ny mpanao gazety, izay nataon’ireto tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny diosezy, notarihan’i Mgr Jean de Dieu Raoelison, arsevekan’Antananarivo.

Amin’izao, misy disadisa ity tany, izay hifanolanan’ny eglizy katôlika sy ny fikambanana iray. Ity farany, izay voalaza fa nibodo tsotr’izao ity tany mirefy 27ha mahery ity ary efa resy eny anivon’ny Fitsaràna na dia nampiakatra hatrany ny raharaha aza. Marihana fa efa nisy fanorenena maherin’ny 200 isa eny an-toerana amin’izao. « Fanorenana tsy ara-dalàna avokoa », raha ny voalazan’ireo mpisolo vavan’ny fiangonana katôlika. « Ny mahagaga, hoy ny kaomity miandraikitra ny fananan-tany eo anivon’ny fiangonana katôlika, fa amin’izao dia mbola misy ireo olona sahy manorina sy mahazo karatany amin’izany tany izany ». Tsy maintsy hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ny taniny ny eglizy, raha ny voalaza. Izany hoe, atsy ho atsy dia hiroso amin’ny fandroahana sy fandrodanana ireo trano tsy ara-dalàna eny an-toerana izy ireo. « Mbola eo am-pandinihana ny fanohizana izany mihitsy izahay » hoy ity kômity miandraikitra ny fananan-tanin’ny eglizy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici