- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilSociétéMaevatanàna an-tampon-tanàna : Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan'ny Croix-Rouge Malagasy ny ekipa...

Maevatanàna an-tampon-tanàna : Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge Malagasy ny ekipa rehetra taty an-toerana

Natomboka tamin’ny fanadiovana ny kianjan’ny la place sy ny fandokona ny birao ao anatin’ny ny lapan’ny tanàna ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge Malagasy ny Alarobia faha 07 May taona 2025 lasa teo iny, izay notarihin’ny Ramatoa Ravoninahitriniarivo Mbaje Jeaninne Gabrielle filohan’ny sampana vokovoko mena na Croix-Rouge Malagasy, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ny marainan’ny Alakamisy faha 08 May taona 2025 kosa, tao anatin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge Malagasy dia nifampitaona teny amin’ny tokon-tanin’ny: ( Hôtel-restaurant le Mandarin) tamin’ny alalan’ny  » Carnaval, » namakivavaky ny tanàna, niarahan’ny mpikambana ao amin’ny Croix-Rouge Malagasy, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ary notronon’ireo fikambanana KB8M, FI.VA.ZA Betsiboka, antoko politika TGV. Taorian’izay dia nifarana teny amin’ny kianjan’ny la place ny diaben’ny fanamarihana, sady nanaovana ny kabary nifandimbiasana no nisy ihany koa ny fanomezana marim-pakasitraha avy amin’ny Croix-Rouge Malagasy foibe, hoan’ireo olona dimy mpikambana amin’ny Croix-Rouge ato anatin’ny faritra Betsiboka. Mbola nahazo marim-pakasitrahana hatrany ny filohan’ny sampana vokovoko mena isam-pokontany, aty amin’ny kaominina Maevatanàna Voalohany. Namaranana ny lanonana dia fitsidihana ny  » Dispensaire Mahavonjy, » ao amin’ny biraon’ny Croix-Rouge Malagasy eto Maevatanàna, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratonga, ary ny fiarahana misakafo tamin’ny alalan’ny nofokena mitam-pihavanana, tao amin’ny Espace le Mandarin.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici