- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Mangarano I : Nanampy ankizy 11 ny filoham-pokontany

Fokontany Mangarano I : Nanampy ankizy 11 ny filoham-pokontany

Ankizy 11 avy amin’ny zanak’olona sahirana tao amin’ny fokontany Mangarano I p/elle 11/46, no notoloran’ny filoham-pokontany fanomezana. Nisy ny fanampiana ny ray aman-drenin’ireto ankizy 11 ireto amin’ny fanampiana ny fampidirana an-janany eny anivon’ny CEG, ka Ceg iray ao an-toerana ihany no nisafidy niara-niasa tamin’ity fokontany ity dia CEG Mangarano. Nisy mantsy ny fiaraha-miasa tamin’ny filoham-pokontany sy ny talen’ity CEG ao Mangarano ity, ka nahatonga izao fampidirana mpianatra sahirana ao amin’ity CEG ity. Araka ny fanazavana nomen’ny filoham-pokontany dia noho ny fahasahiranana ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao, ka mba fitsinjovana ireo ankizy ireo mba tsy ho tapaka fianarana dia natao izao fiaraha-miasa izao. Araka ny voalaza hatrany dia fanao tao anatin’ny efa-taona teo anivon’ny fokontany izao hetsika izao, ka arakaraky ny misy eo an-tanana sy ireo tena sahirana no nomena fanampiana. “Tsy misy manana ny ampy, fa tsara ny mifanampy” no tanjona amin’izao fanampiana nataon’ny fokontany Mangarano I izao. Mbola hitohy hatrany izany raha mbola voatazona ho filoham-pokontany ny tenany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici