
Namolavola sy nametraka ny RSE na « Responsabilié Societale de l’Entreprise » ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy. Ity farany no manatontosa sy miandraikitra ary manatanteraka ny drafitra apetraka mifanaraka amin’ireo orinasa. Antsitrapo fa sy antery ity fandraisana andraikitra ara tontolo iainana ataon’ny orinasa ity. Mivelatra amin’ny lafiny maro ny mety fandraisana andraikitra ataon’ny orinasa, mety ho ara tsosialy, ara pahalasamana na fandriampahalemana indrindra fa ara tontolo iainana ka fiaraha miasa amin’ny faritra no hanatanterahana izany.Mandray ny tandrify azy ireo orinasa amin’ny fanatanterahana ny toky nomena, tamin’ity indray mitoraka ity dia ny tamberin’andraikitry ny banky BNI no nanatontosana ny asa. Hiaraha mahita ny fitobaky ny fako ao ambadiky ny CEG Soamalaza, toy ireny toerana fitobian’ny fako ireny iny lalana iny ankehiriny ka zary feno loto, maimbo masiso nefa sekoly no manamorona azy. Natao ny fanadiovana tamin’ny alalan’ny RSE niaraka tamin’ny fiara lehibe roa ( engin) avy amin’ny faritra sy ny sampandraharahan’ny tontolo iainana. Antenaina fa harahin’ny orinasa hafa izao hetsika izao, ary hisy ihany koa ny fepetra ho raisin’ny kaominina amin’ny fanadioavana mba hadio sy azo hiainana ity toerana ity fa maro ireo mponina no andrenesana fitarainana amin’ny fahalotoana eny amin’ny manodidina.Tsara ny manamarika fa teto Vakinankaratra no nametrahana voalohany ny RSE nanaradia azy ireo faritra sasany taty aoriana.
Andry N