
Nahita maso ny tsy fanarahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faharoa ireo tompon’andraikitry ny ATT na ny sampandraharaha mpanara-maso ny lalam-pirenena, sy ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny lalana sy ny fifamoivoizana eto Toamasina. Milaza izy ireo fa mety hampitera-doza amin’ny lalam-pirenena faharoa ireo tsy fanarahan-dalana ireo. Isan’ny nambaran’izy ireo nandritra izany ny fanaovana taingim-be ataon’ireo fiara fitanteram-bahoaka mania ny zotra mianatsimo avy ao Toamasina. Eo ihany koa ny tsy fanaovana aroloha ho an’ireo mpitaingina moto izay tena maro tokoa. Ankilan’izany ireo fiarabe na kamio tsy mahazo mitondra mpandeha nefa mitondra ireo mpanakana azy an-dalana, amin’izay andray mbola tsy ampy torimaso sy midoroka zava-mahadomelina ny sasany. Eo koa indrindra ireo fiara mpitatitra na ireo fiara tsotra tsy miatrika fitsirihana akory nefa mampiasa lalam-pirenena faharoa. Araka ny fanazavana nataon’ny talen’ny ATT Toamasina Atoa Razakasoa Rivo Joel sy ny komandin’ny polisy misahana ny lalana sy ny fifamoivoizana GPHC Rakotoarisoa Vévé, fa vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao, ka miangavy ny mpampiasa ny lalana ny talen’ny ATT mba hanaraka ny lalana mba ho fisorohana ny loza goavana ka hamoizana ain’olona indray. Mampitandrina ihany koa izy ireo fa andray fepetra mifanaraka amin’ny lalana mikasika ireo tsy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana amin’ity lalam-pirenena faharoa ity, mba hisorohana ny tranga mety ahafaty olona.
Malala Didier