- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilSociétéMinisitry ny mponina : Nanao hetsika sosialy teto Toamasina

Minisitry ny mponina : Nanao hetsika sosialy teto Toamasina

Nanao fitsidihana teto Toamasina ny minisitry ny mponina sy ny ekipany, mba hanao asa soa amin’ireo tra-boiny rano be mitranga eto Toamasina amin’izao vokatry ny fiavian’ny orana. Araky ny fandaharam-potoana teo amin’ny minisitra sy ny tale jeneralin’ny BNGRC ary ny ekipan’ny governora Atsinanana, dia nitsidika toerana maro misy ireo tra-boina vokatry ny rano miakatra izy ireo, ka isan’izany ny toerana misy ireo tra-boina tao Mangarano II antsoina hoe “Espérence”. Nisy ny fanolorana fanampiana ireo tra-boina notsidihana, izay mponina manodidina, ka notolorana vary sy menaka ary zavatra hafa ireo tra-boina. Niara-dia tamin’ny minisitry ny mponina koa ny minisitry ny asa vaventy, izay nijery ireo foto-drafitrasa simba vokatry ny fiakaran’ny rano. Nambara nandritra izany fa “tsy manadino ny vahoaka sahirana ny fanjakana, ka tonga manampy anareo tahaka ny efa nataony hatramin’izany…”. Nambaran’ny minisitra hatrany fa “ao anatin’ny sarotra no tena ahitana ny tena Havana, ary ny fanjakana eo anilan’ny vahoaka lalan-dava”. Ankoatra izany dia nisy koa ny fanampiana ireo tra-pahasembanana miisa 100 teto Toamasina nataon’ny minisitry ny mponina. Raha ny fantatra dia vary 10kgs sy menaka 01 litatra ary savony no natolotra tamin’izany; ka nisaotra ny minisitra ireo tra-pahasembanana nandritra izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici