
Niparitaka ny sarin’ny mpanao gazety miandraikitra fakàna ny sary eo anivon’ny Midi Madagasikara. Eo amin’ny io sary io dia noroitin’ny zandary iray tamin’ny vozon’akanjo ilay mpanao gazety ary rovitra hatramin’izany. Tsy vitan’izay fa mbola naparitaka indray ilay sary miaro herisetra ary dia hitan’izao tontolo izao. Sary efa tamin’ny febroary 2014 izany saingy mbola nentina nampirehitra afo indray ankehitriny no sady nasiana sira ny amin’ny hoe “nitady scoop ilay mpanao gazety ary tsy nanaja ny faritra mena”. Betsaka ny tohina tamin’io sary niparitaka io ary efa tafiakatra hatrany amin’ny 4.000 mahery ny naneho hevitra. Ekena ny fitadiavana laza avy amin’ny tambajotra sosialy ary toa miompana amin’izay hatrany no hataon’io pejy io saingy kosa ny tsy nisainany dia ny fiantraikan’izany any amin’ny fiainana manokan’ny olona voakasika. Raha hiverenana ny momba ny sary dia mpanao gazety amperin’asa no naka izany ary tsy nisy faritra mena izany teo. Eto amintsika rahateo dia mbola tsy mampiasa loatra ireny tady mavo misy soratra “périmètre de sécurité” ireny. Manarak’izany, ny asa fanaovan-gazety dia tsy eo ambany fiahian’ny mpitandro ny filaminana ka hoe mila baiko avy amin’izy ireo izay vao afaka manao ny asany. Rehefa eny an-kianja misy korontana dia samy manao ny asany ny tsirairay ary samy manana ny lehibeny mpibaiko azy, ny mpitandro ny filaminana aza dia tokony miaro ny mpanao gazety. Ny mpanao gazety koa dia solon-tenan’ny olom-pirenena mba hijery izay tsy hitan’izy ireo ary mitatitra izany ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro, ary izany dia ao anatin’ny etika sy deontolojia ny fikirakirana ny vaovao. Ny Filohan’ny Holafitra ankehitriny Rasoloarison Monica, rehefa naheno ny zava-misy dia manameloka ny fiparitahan’ny sary misy herisetra amin’ny mpanao gazety. Io farany koa dia nampatsiahy ny olom-pirenena ny amin’ny fisian’ny lalàna mifehy ny tambajotra sosialy, eny fa na ho an’ny mpitandro ny filaminana aza. Isan’ny nametram-panontaniana izy raha niniana natao na tsia ireny fanaparitahana ny zava-nisy efa tamin’ny 2014 ireny. Manarak’izany, raha misy ny famaliàna ny lahatsoratra sy sary (démenti) dia tokony ho tany amin’ny pejin’izay nanaparitaka azy voalohany no nanaovana izany. Nanazava ny OJM fa manaraka akaiky ity raharaha ity.
T.M.