
Ny kaominina Mahavelona Foulpointe no nampihatrano ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an`ny tontolo iainana ho an`ny distrika Toamasina faharoa, faritra Antsinanana.
Tontosa ny zoma 7 jona lasa teo izany raha toa ka ny 5 jona no tena andro maneran-tany ho an`ny tontolo iaianana araky ny kalendary navoakan`ny firenena mikambana.
Dia be nanarena ny tanana, nataon`ireo fikambanana mpisehatra momban`ny tontolo iainana, sampandaharaha, mpianatra sy ny maro hafa no nanokafana ny lanonana tao Foulpointe. Teo amin`ny « plage« no nifarana ny « carnaval« satria teo no nisian`ny fifandimbiasan`ny fandraisam-pitenenana nataon`ireo manam-pahefana sy ny avy ao amin`ny sampandraharam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy.
Entina hivoizana loahevitra ny fanamarihana fotoana tahaka izao hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-javy eto Antsinanana ka hifantoka betsaka amin`ny famerenana amin`ny laoniny ny tany manoloana ny haitany ny loahevitra, fotoana izao hiresahana ny fiarovana ny tany indrindra ny tontolo iainana hoy hatrany ny nambarany.
Isan`ny faritra manankarena ny faritra Antsinanana, na biby na hazo, na zava-maniry, ny rivotra sy maro hafa ka tokony hajaina sy arovana izy ireny mba holovain`ny taranaka.
Manao ezaka ny ministera amin`ny asa fiarovana ny tontolo iainana indrindra amin`ny resaka fambolena hazo. Ankaotra izay ny fampihenana fampiasana ny akora simika sy fitaoana plastika, ny ady amin`ny doro tanety izay hanomboka ny volana Septambra izao.
Fantatra fa any Atsimo andrefana no hanamahana ny fankalazana nasionaly ny datin`ny 13 Jona ho avy izao.
Marihina fa nifanindry andalana tamin`ity fotoana ity ny fanokafana tamin`ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an`ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Nambara ofisialy izany taorian`ny fananganan-tsaina nialohan`ny diabe. Tsy ho latsa-danja ny fanamarihana hoy ny Ranaivoson Sampy Elin ben`ny tanana eto Foulpointe, toy ny isan-taona dia hisy hatrany ny omby maty sy fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an`ny dahalobe hiarahana mifaly.
Andry N.