- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkatso : Nandrehitra kodiarana ny mpianatra

Ankatso : Nandrehitra kodiarana ny mpianatra

Nitokona indray ny mpianatra tetsy amin’ny anjerimanontolo omaly. Nandoro kodiarana izy ireo nilanja sora-baventy. Ny lalana mizotra miditra ao amin’ny oniversite no tapaka nandritra ny adim-pamataranandro roa vokatr’izany. Tsy manaiky ny hisian’ny taona fotsy izy ireo. Izay no votoatin’ny hetsika lakolosy fanairana ihany. Tsy nisy mpitandro ny filaminana niditra an-tsehatra teny an-toerana. Rehefa lany rahateo ny afon’ilay kodiarana nodorana dia tapitra koa ny hetsik’ireo mpianatra ary niala tsimoramora niverina niditra tany amin’ny oniversite izy ireo. Fotoana vitsy taorian’izay anefa dia nisy tora-bato avy any anaty faritry ny fianarana ary nivoaka taty amin’ny arabe. Nisahotaka ny olona ary nihidy haingana ny mpivarotra ary ny taxi-be koa nikisaka avokoa. Tsy naharitra ela izany ary tsy niteraka fahasimbana. Efa samy mailo avokoa ireo olona teo amin’ny manodidina, satria tsy vao voalohany izy ireo no niaina izay mety ho korontana ateraky ny fitokonana. Soa fa mba niverina haingana ny filaminana ary niverina ho azy aza.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici