Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tany amin’iny distrika Marovoay iny, ny voalohan’ny volana teo. Raim-pianakaviana iray no maty rehefa nokapain-janany lahy tamin’ny famaky. Teo amin’ny lohany no voa ary nandriaka izay tsy izy ny rà. Ny antso vonjin’izay nanatri-maso no nanaitra ireo mponina ka nirohotra tao amin’ilay tokantrano nitrangan’ny loza ireto farany. Indrisy anefa fa ilay rangahibe efa tsy misy aina intsony no hita tao. Tao amin’ny fokontanin’i Mahatsinjo no nisehoan’ity vono olona mahatsiravina ity. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava na natosiky ny zava-mahadomelina ity zanany lahy ka nahavita izao heloka bevava izao, na hoe natosiky ny inona. Raha ny vaovao voarainay avy tany amin’iny zandary mantsy dia hoe nangata-bola tamin-drainy ilay zanany. Nandà sy tsy nanome anefa ilay rainy ary dia io nokapainy tamin’ny famaky io ny lohany. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ireo zandary tany an-toerana, nisambotra ilay nahavanon-doza sy nitondra azy natao andrimaso tany amin’iny biraon’ny zandary. Rehefa avy notilian’ireo mpitsabo kosa ny vatana mangatsiaka an’ilay rangahibe dia nomena ny fianakaviana.
m.L