- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversNanisana – Andravoahangy : Mpandeha notafihana jiolahy mitam-basy anaty taxibe

Nanisana – Andravoahangy : Mpandeha notafihana jiolahy mitam-basy anaty taxibe

Rehefa tsy azon’ireo olon-dratsy any an-tokantranony tokoa ny olona dia aleon’izy ireo ataony tambabe anaty fiara fitateram-bahoaka. Tetsy Nanisana ny alarobia hariva lasa teo, ary tetsy Andravoahangy omaly maraina, andian-jiolahy mitam-basy no indray mampihorohoro ireo mpandeha sy manendaka izay rehetra any amin’izy ireo. Tetsy Nanisana, ny alarobia hariva tokony ho tany amin’ny enina ora tany ho any. Amin’ilay fotoana mahabetsaka ny olona indrindra, tovolahy niisa teo amin’ny dimy teo no nanao amboletra niditra tao anatin’ity taxibe iray nandray olona teo amin’ny fiantsonana antsoina hoe « garazy », raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Vantany vao tafiditra izy ireo, avy hatrany dia ny basy teny an-tanany no narangarangany. Raiki-tahotra ireo mpandeha tsy nisy afa-nanoatra. Lasan’ireto olon-dratsy avokoa ny zavatra sarobidy sy ny vola rehetra tany amin’ireo mpandeha, nataon’izy ireo tsy nisy niangana. Torak’izany ihany koa, taxi-be iray mampitohy sendra mijanona tetsy amin’ny fiantsonana Rotsirotsy teo Andravoahangy, omaly maraina no nidirana jiolahy maromaro. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ilay tetsy Nanisana ny fomba fiadin’izy ireo, ary ao anatin’ny fotoana fohy monja no hanantanterahany izany asa ratsiny izany. Amin’izao fotoana izao dia ireny fiara fitanteram-bahoaka ireny indray izany izao no lasibatr’ireo olon-dratsy mitam-piadiana. Lasan’ny sain’ireo mpanara-baovao, handeha ho aiza ihany izany ireo sarambabem-bahoaka ? Eny ivelany miandry taxi-be izy ireo kilalaon’ireo mpangarom-paosy, ao anatiny indray lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana mahery vaika …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser