- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNanisana : Fandaravana trano,olona iray maty tapaka lalan-drà

Nanisana : Fandaravana trano,olona iray maty tapaka lalan-drà

Vehivavy iray no maty noho ny fahatairana tamin’ny nandravana ny tranony ny alahady lasa teo, efa niditra hopitaly ity ramatoa ity izao nondaosin’ny fahafatesana izao.

Olona 150 eo ho eo no traboina tsy manan-trano amin’izao fotoana izao etsy Nanisana, niakatra ny hatezeran’ ireo rava trano satria araka ny fanazavana voaray dia mbola tsy misy fandraisana andraikitra nataon’ny fanjakana hatramin’izao mikasika azy ireo. Nanao famelabelaran-kevitra moa ny HAFARI izay notronin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa zon’ny Malagasy ny hanana trano sy tany  izay nohajariany nandritra ny taona maro. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany koa moa ny fisian’ny fahazoan-dalana 20 /39A izay nivoaka tamin’ny fitondrana tetezamita, nanome alalana azy ireo hanao ny fampidirana jiro amin’ireo toerana ireo . Taona vitsivitsy taty aoriana anefa dia nivoaka ny didy fandravana ka anentanan’ireo olona mba hijeren’ny fanjakana mijoro ny momba azy ireo ary ny tsy hitohizan’ny fandravana intsony, satria raha ny resaka henon’izy ireo dia mbola hitohy ny asa fandravana ato ho ato.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser