
Nitrangana fihotsahan-tany indray tetsy Nanisàna Iadiambola omaly antoandro. Mpiasa iray no namoy ny ainy vokatr’izany, tototra tao ambany tao. Tonga nanantateraka ny fikarohana teny an-toerana ny mpamonjy voina.
Anisan’ny asa iray mampidi-doza rehefa tsy misy fitandremana ny asa fanarenana tany sy fanorenan-trano. Toy ny nitranga tetsy Nanisàna omaly tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any. Mpiasa maromaro izy ireo nokaramaina hanarina tany alohan’ny hanorenana trano, satria dia kisilasila be ihany ilay toerana. « Efa vitan’izy ireo tao anatin’ny herinandro izany ary efa niomana ny hanao ny fototry ny rindrina hiarovana ilay andrin-tany tsy hirodana ireo mpiasa », hoy ny filazan’ny mpiambina io toerana io. Tamin’io fotoana io mihitsy anefa no nitranga ny loza. Nihotsaka tao anatin’ny indray mipi-maso monja ilay andrin-tany lehibe, izay miakatra tokony ho efa-metatra tany ho any. Mbola nisy mpiasa iray, nikonokonona anefa tao ambanin’io, araka ny fanazavàna azo hatrany. « Satria efa ora fisakafoanana dia lasa nivoaka nisakafo ny namany fa izy irery sisa no mbola namita ny anjarany teo ». Tototry ny tany aman-taoniny maro tao, araka izany, ity mpiasa iray ity. Niantso vonjy avy hatrany ireo nahita maso. Tonga nanavotra azy ny namany. Tonga teny ihany koa ny mpamonjy voina saingy efa vatana mangatsiaka sisa no nosokirina tao. Naharitra adim-pamataranandro roa teo ho eo no nikarohana azy, hoy hatrany ny fitantaran’ity nanatri-maso ity. Marihana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy 26 taona maty ity fa miasa fotsiny. Voalaza fa eny Ambohimangakely eny izy no tena mipetraka.
Koa satria nisy ny aina nafoy dia nidina teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana, izay nahitàna ny avy ao amin’ny sampana ady heloka bevava sy ireo pôlisy siantifika. Nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty natao fizahana moa ny razana nony hita.
m.L