- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversNanisana : Mpanao zaitra an-tsena voatafika, lasa ny vola 4 hetsy

Nanisana : Mpanao zaitra an-tsena voatafika, lasa ny vola 4 hetsy

Vehivavy iray no nasain’ireo jiolahy nitarika azy ary nanontaniany izay tranona mpanakarena

Ny marainan’ny alarobia tamin’ny 1 ora, notafihana jiolahy miisa enina nitondra basy poleta telo ny tranona mpanao zaitra an-tsena iray teny Nanisana akikin’ny toerana antsoin’ny olona hoe “Sapin”. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa niari-tory niasa ny olona tao amin’ilay trano. Araka izany, tsy mbola mihidy  ny varavarana fa mivezivezy eo ny rehetra. Izany no nohararaotin’ny jiolahy nidirana. Tonga dia voambana basy avokoa ireo rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika teo anoloan’izany. Nisy sahy nijery an-dry zalahy kanefa voafelaka tehamaina. Marihina, hoy ny vaovao fa tsy nanao saron-tava ireo mpanafika. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 4 tapitrisa ariary mahery, telefonina miisa fito ary fonosana silipo efa vita miisa folo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy nijanona teo ny fanafihana. Raha vao azony ireo zavatra ireo dia nifindra tany amina trano iray hafa ireo jiolahy. Nitondra vehivavy iray avy ao amin’ilay trano voalohany izy ireo ary io no nasainy nandona tao amina trano faharoa. Ny voavoa hatrany no nahalalana fa ampli iray no lasa toa. Mbola nikasa hamaky trano fahatelo hafa izy ireo; Fantany anefa fa efa nisy niantso ny mpitandro filaminana ka dia lasa niala ry zalahy. Niharan’ny daroka toa amin’ny lamosiny ilay vehivavy nentiny ary navelany teo avy eo. Efa misokatra ny fahadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Mbola tsy nisy voasambotra ireo olon-dratsy ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser