- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversNanisana : Mpivady mpitsindroka fako, matin’ny sakafo nohaniny

Nanisana : Mpivady mpitsindroka fako, matin’ny sakafo nohaniny

Ny fitadiavana tokoa mahazaka maniraka, indraindray aza ahavitana ny tsy fanao mihitsy. Tranga mampalahelo iray indray no entina amintsika mpamaky ny gazety anio. Mpivady iray trano monina eny amin’ny fokontanin’i Nanisana, izay voalaza fa mpitsindroka fako, no niara-nindaosin’ny fahafatesana noho ny sakafo nohanin’izy ireo. Raha ny fitantaran’ny zanany sy ny fianakaviany izay sendra ny mpanao gazetinay moa dia samy nitaraina narary kibo izy roa, saingy tsy fantatra mazava ny antony. “ Ny antom-piveloman’izy ireo dia mandeha manary sy mikaroka fakon’olona. Efa fahazaran’izy ireo ny mitsindroka sy mihinana izay sakafo hitany ao anaty fako. Izahay koa tsy nisy nanampo fa hahafaty azy ireo izany. Manome vola azy ireo ihany anefa izahay indraindray rehefa misy ny eo am-pelatananay” hoy ity zanany vavy matoa izay efa tsy miara-mipetraka amin’izy ireo intsony. Ny alin’ny alarobia lasa teo anefa, tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any dia tsy tàna intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana. Fotoana fohy taorian’io, ny antoandron’ny alakamisy ampitson’ny tranga ihany dia nanaraka ny vadiny any amin’ny varo-tsy mifody ihany koa ilay ramatoa. Izany hoe nifanelanelana tapak’andro monja fotsiny. Omaly maraina ireo razana roa moa no fantatra fa naterin’ny fianakaviany hanaovana fara-fizahana na “autopsie” ahafantarana izay tena anton’ny nahatonga ny fahafatesana teny amin’ny HJRA. Raha ny fanamarihan’ny dokotera niandraikitra ny raharaha moa dia fantatra izao fa vokatry ny fihinanana sakafo maloto mety nifangaro tamin’ny zavatra mampidi-doza ho an’ny fahasalamana no nitarika ny fahafatesan’ireto mpivady ireto. Ny fikambanana sosialy  eny amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo kosa no nandray an-tànana ny fikarakarana manontolo ny razana mandra-pandevenana azy ireo eny amin’ny fasan-drazany eny Ampasika.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici