- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversNanisana : Resevera maty voahitsaky ny taxi-be

Nanisana : Resevera maty voahitsaky ny taxi-be

Noho ny fifaninana dia hadino tanteraka ny fitandremana. Dia hihafy amin’ny hetraketrak’ireo mpamily hatrany ve ny mpampiasa taxi-be?

Namono olona indray ny fiara fitateram-bahoaka, ary tsy iza fa ny reseverany ihany no namoy aina vokatry ny hetraketraka sy ny tsy fitadreman’ny mpamily. Zava-doza tokoa no niseho tetsy Nanisana fa ilay taxi-be zotra 194 ihany no nanitsaka itsy farany. Tsy fantatra marina izay zava-niseho fa raha araka ny loharanom-baovao dia nifanejika ireto taxi-be ka maika ny hameno sy hiala haingana eo amin’ ny fiantsonana. Vokatr’izany, mbola tsy tafiakatra tsara akory ilay resevera dia efa nirifitra ny hitsoaka indray ilay fiara. Nianjera ilay tovolahy ka notetezin’ ny kodiarana avy ao  aoriana. Maty tsy tsa-drano ity resevera ity. Irony fiara misy vavarana fialana eo amin’ ny valahany irony ilay fiara.  Mbola tanora raha ilay olona namoy ny ainy. Ary tena nijininika nanenika ny arabe ny ràny vokatry ny fahavoazana. Kivy ratsy ny mpandeha raha nahita ny zava-nitranga. Entanina hatrany ny zotra rehetra izay miasa sy mivezivezy mitatitra olona eto Andrenivohitra fa tsy hananam-piry ny aina. Tsy fitandremana kely dia mety hamoizana aina na hanimbana zavatra be tokoa. Efa maro ihany mantsy izay trangan-javatra efa niseho izay vokatry ny setrasetra sy ny tsy firaharahiana ny lalàn’ ny fifamoivozana eto amintsika. Voa foana matetika vao mipenimpenina. Maninona raha mba mitandrina kely dia mba ho voasoroka ny loza?

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser