Hatairana ny an’ireo mpanadio lakan-drano teny amin’iny faritra Nanisana iny, ny alarobia lasa teo. Tao anatin’ilay tatatra manodidina ny masoivohon’i Chine iny, sakaosy miloko maintimainty iray, feno taolam-paty no hitan’izy ireo nafenin’ireo kirihitra maromaro teny an-toerana. Saika taolan-dava avokoa ny ankabeazan’ireto taolam-paty hitan’ny fokonolona ireto, raha ny fanazavana azo. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, ary tonga avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy. Tamin’izay no fantatra fa, manodidina ny 35 kilao teo no lanjan’ireto taolambalo ireto. Niniana nafenina tao anatin’ireo kirihitra ve sa nariana fa tsy nisy nandray ? Noheverin’ireo rehetra teny an-toerana ihany koa, fa mety natsipy tany ho any ity sakaosy ity, saingy navalan’ny rano ary tavela tao anatin’ireto tsinkafonkafona nandoto ilay tatatra. Mazava ho azy, fa tsy nisy nahita izay nanao izany. Nalefa avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra moa ireto taolambalo ireto. Hatreto tokoa dia mbola mipetraka hatrany ireo fanontaniana maromaro mahakasika ireto taolam-paty ireto : atao inona ary iza no mpandray ? Inoana marimarina izao fa mety efa nisy nampanantena izay olona nanary ireto taolam-paty ireto, saingy angamba mety tsy raikitra ny varotra ka dia izao nariana fotsiny izao. Amin’izay lafiny izay, araka ny fantatra, dia efa nanokatra ny fanadihadiana ireo pôlisy misahana izany.
m.L