Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra Nanisana iny ny harivan’ ny alatsinainy teo. Tranombarotra iray teny an-toerana no lasibatry ny andian-jiolahy nirongo basy poleta. Vokany, voatifitra ny tompon-trano izay namoy ny ainy, rehefa tonga tany amin’iny toeram-pitsaboana. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny vola rehetra tao amin’ity tranombarotra ity, izay mbola tsy fantatra mazava ny totaliny, araka ny fanazavàna azo.
Tsy mifidy ora tokoa ireo jiolahy rehefa hanao ny asa ratsiny. Anisan’ireo faritra be olona mantsy iny Nanisana iny, indrindra moa tamin’ny ora izay nitrangan’ity fanafihana ity, izay tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo. Fotoana ihany koa io mba hanararaotan’ireo mpivarotra hanentsemana ny tsy fisian’ny mpividy amin’ny antoandro. Tamin’io mihitsy anefa no tonga tao ireo andian-jiolahy, izay tsy nisaron-tava akory, araka ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny ilay toera-mpivarotana. Basy poleta no teny an-tanan’izy ireo nentiny nandrahona ny tao am-pivarotana, sy nitaky ny vola rehetra. Nentanin’ny fiarovan’ny fananany ny raim-pianakaviana tompon’ny tsena ka niezaka ny nanohitra ireto olon-dratsy. Nirefotra indray mandeha anefa ny basy ary nidaraboka itsy voalohany. Lavon’ny bala izay niditra teo amin’ny tratrany ary nivoaka tao amin’ny lamosiny ilay rangahy. Tamin’io no nanararaotra nibata ny vola rehetra tao anaty fitoerany ireo mpanafika ary nitsoaka nony avy eo.
Tao anatin’ny fotoana vitsy monja no nanaovan’ireto jiolahy ny asa ratsiny, ary vetivety foana dia nanjavona sy nafenin’ny alina ireo elakelan-trano maro teny an-toerana izy ireo. Nikoropaka namonjy ity naratra kosa ireo izay nahita ary niezaka nitondra azy haingana tany amin’iny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa tapitra ny ainy vao tonga teny izy. Efa nampandrenesina ny pôlisy misahana iny faritra iny ary tonga teny an-toerana, nanao ny fikarohana sy ny savahao ny manodidina, hatramin’io alina io ka hatramin’ny andro omaly. Nanampy azy tamin’ny fanadihadiana moa ny sampan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy.
m.L