Vao marainan’ny alarobia lasa teo no nisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana. Tovovavy 22 taona no hita maty ary nihoson-drà teo amoron-dàlana tetsy Nanisàna. Ny BMH no tonga teny an-toerana ary naka ny razana ka nanatitra azy teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Tsy mbola nisy nahafantatra hatreo fa olona manan-danja eto amin’ny firenena ity maty nofaohin’ny fiara ity. Omaly kosa rehefa nifampizara vaovao ny maro vao tena voaporofo fa Raveloson Miah, tompon-daka imbetsaka tamin’ny lalao « échec » ilay nodimandry. Efa nisolo tena sy nitondra avo ny voninahi-pirenena izy tamin’ny lalao iraisam-pirenena samihafa, toa ny lalao olympika sy ny fifaninanana ho tompon-dakan’ny Afrika. Mbola betsaka koa ny làlana efa nisoritra ho azy momba io lalao ara-tsaina izay nampiavaka azy io. Poa toa izay anefa dia rava izany rehetra izany rehefa nisy mpamily tsy mataho-tody nandona ka nahafaty azy tetsy Nanisàna. Tsy vitan’izany fa tsy nijanona ilay fiara fa nitsoaka raha vantany vao nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Ny toe-javatra toy izany dia lasa mateti-pitranga eto an-drenivohitra. Efa betsaka izay maty izay ary vitsy ihany no hita ny tompon’antoka amin’izany. Ireo vitsy mba tratra dia avy amin’ny fisian’ny « caméra de surveillance » an’olon-tsotra na orinasa mipetraka eo amin’ny manodidina no nahafahana nahita ny fiara sy ny laharany. Raha sendra tsy nisy izany dia sarotra ny hahitàna ny mpamily nahavanon-doza. Be loatra ny lozam-pifampivoizana nitranga teto Antananarivo ary mila fepetra matotra tokony horaisina amin’izay, satria toa baranahiny loatra. Tsy mba misy tsirony intsony izany mba mandeha an-tongotra izany satria lasa miady aman’aina hatrany. Dia lasa mamoaka fiara avokoa izay mba manana an’izany kinanjo ny vokany dia io tototra fitohanana io ny fifamoivoizana. Etsy ankilany, vao mba misy lala-malalaka kely dia manararaotra mandeha mafy kanefa ny làlan’ny mpandeha an-tongotra aza zara raha misy. Mba mila miompana amin’ity lozam-pifampivoizana isan’andro ity ny atrikasa izay maha-tompondaka ny firenena satria mijaly loatra ny mpampiasa làlana, indrindra ny mpandeha an-tongotra.
D.R
Maneho fiaraha miory @ny fianakavina tsy ankanavaka no sady mampahery azy noho ny vesatry ny alahelo sy ny sara-kaina marary .
Tsy avelan’ ny fahorina hitraka ny rehetra mihevi-tena ho olona manolaona izao hetraketraka sy vono olona kanosa sy feno habibina izao ; nefa, tsy avelan ‘ny haja amam-bonihitra sy ny firaisan-kina iondrika ihany koa.
Tsy eken’ ny fiaraha- monina sy ny saina ny fisin’olona manana toe-tsaina ambany noho ny ambany toy izao sy dondrona be sy lany henatra.
Manainga ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hanao ny rehetra azo atao hanajanona ny biby-olona tsy azo ekena eo anivon’ny fiaraha- monina..