- Publicité SW45 -
mercredi, septembre 18, 2024
AccueilFaits-DiversNanisana : Trano 25 noravana, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

Nanisana : Trano 25 noravana, nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso  teny Nanisana, omaly.
Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso teny Nanisana, omaly.

Tsy maintsy notanterahana ny didy navoakan’ny Fitsarana momba ilay tanim-panjakana. Kiakiaka sy tomany no re teny Nanisana, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tonga nanatanteraka ny didy nivoaka momba ireo trano voalaza fa naorina tamin’ny tanin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny avy amin’ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny. Mpitandro filaminana maro no teny an-toerana ary dia fantatra fa tontosa soa aman-tsara ny fanatanterahana ny didy nivoaka. Tetsy andaniny anefa, tsy nanaiky mora ireo izay nanana trano efa voaorina teo amin’ilay faritra lazaina fa an’ny fanjakana. Marobe ny olona teny an-toerana nanampy azy ireo. Tsy nihemotra kosa anefa ireo izay tonga nanatanteraka ny didy, fa niroso tsy nisalasala nandrava. Ireny “bull” goavana be ireny no teny an-toerana ary tsy hay notohaina ny heriny. Nisy ihany ireo sahy nanohitra fa niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana izay efa vonona, hiatraika ny fandehan-javatra. Voatery izy ireo nampiasa ny fitaovana  teny aminy, hanaparitahana ireo olona maro ny tompon’ny trano noravana sy ireo mpitazana. Tamin’izay fotoana izay vao nisahotaka ny rehetra fa tena izy ity omaly ity fa tsy vazivazy intsony.

Efa maro ny lahatsoratra an-gazety nivoaka mahakasika io toerana io. Nisy mihitsy aza olona nanome toky ireo izay efa nahavita trano fa hiaro azy ireo hatramin’ny farany.  Tsy maintsy ampiharina anefa ny didim-panjakana ary tsy azo jerena fotsiny amin’izao ireo mihevitra fa afaka manao izay tiany hatao. Misy lalàna mifehy ny rehetra eto amintsika, hoy ny tomponandrikitra iray. Lalàna izay tsy anavahana na iza na iza.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser