- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNanisàna : Zazavavikely hita faty, ahiana ho nisy nanolana

Nanisàna : Zazavavikely hita faty, ahiana ho nisy nanolana

Manodidina ny 6 na 8 taona eo ity ankizivavy kely ity. Mitsirara efa tsy misy aina intsony ao ambany tetezana, amin’iny lalam-baovao mampitohy an’i Nanisàna sy Ankadindramamy iny. Zara raha mitafy ny tapany ambany …

Omaly, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo ho eo, no nisy nampandre ireo tompon’andraikitry ny fokontany Nanisàna. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany ary nahita maso ity tranga mampivarahontsana ity. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia mponina eny amin’ny manodidina iny ity zazavavikely ity saingy irony tsy manan-kialofana irony. Ny alahady hariva teo talohan’iny oram-be mikija iny izy no hita farany, ary ny maraina dia io izy efa tsy  niaina tao ambany tetezana io.

Nentin’ny rano ? Nisy namono ? Hatreto tsy fantatra mazava izay tena anton’ny nahafatesan’izany ankizy izany, izay hiandrasana ny voka-panadihadian’ireo mpitandro filaminana. Ahiahian’ny olona teny an-toerana nahita ny razàna ny hoe mety ho nisy namono saingy nampiharan’izany olona izany ny filàn-dratsiny talohan’izay. Raha ny hita teny an-toerana tokoa dia toa mivoaka rà izany ny oron’ilay zaza, ny feny misaveraka. Manao kilaoty kely ihany izy saingy efa amin’ny ilan-tongony sisa ary zara raha manakona ny tapany ambany. Nanampy trotraka izany moa ny filazan’ny rahavavin-dreniny tamin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany, izay nitantara fa nisy lehilahy nitondra azy omaly hariva (ndlr alahady hariva) talohan’ilay ora-mikija iny ary tsy hita intsony nony avy eo.

Efa tonga teny an-toerana nijery ny razana moa ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary nitondra izany nakany amin’ny tranom-paty kosa ny teo anivon’ny Bmh. Heverina araka izany fa efa eny am-pelatanan’ireo mpanao famotorana ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici