
Ela ny ela. Nitroatra ireo fokonolona ary sahy nanohitra ny dahalo. Tao amin’ny fokontany Antanandava, ao ambanivohitr’i Fidirana, no niseho ny halatra omby. Nifampizara ireo fokonolona ka nisy ny nanara-dia. Hain’ny olona rahateo ny kizo rehetra eo amin’ny manodidina ny tanàna misy azy. Nifanojo tamin’ireo andian-dahalo tokoa ireo mpanara-dia ary dia raikitra ny fifanjevoana. Tsy niala ireo fokonolona na mafy aza ny ady. Tao anatin’izay no nisy iray voasambotr’izy ireo. Avy hatrany dia raikitra ny fitsaram-bahoaka ary tsy tonga akory ny zandary dia efa tapitra ny ain’ilay dahalo. Antsoina hoe Rabelodia io farany. « Dahalo monina ao anatin’ny kaominina Fidirana ity maty ity ary efa malaza amin’ny asa ratsy vitany. Efa ela ihany koa no nikarohana azy ka izao voasambotra izao ary tsy nilefitra intsony ny fokonolona namarana ny tantarany », raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tena leo tokoa ny olona noho ny afitsoky ny jiolahy…
D.R