- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVoasambotra i Maniny : Nanolana sy namono nahafaty mpianatra ho infirmiera

Voasambotra i Maniny : Nanolana sy namono nahafaty mpianatra ho infirmiera

Ny volana oktobra lasa teo no nitrangana vono olona feno habibiana tany Vohilengo tany. Vehivavy iray, mpianatra ho infirmiera iray no niharan’ny herisetra ara-nofo sy vono feno habibiana. Telo volana taty aoriana, fantatra ny tompon’antoka, izay voalaza fa nalefan’ny havany nitsoaka niala tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, hamonjy an’i Menabe. Tsy namelan’ireo zandary anefa raha tsy hita ny nisy azy ary nosamborina ny faraparan’ny janoary lasa teo.

Tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa no namoan’ity lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Maniny ity an’ity tovovavy ity. Ity farany izay nikasa hamonjy ny olon-tiany tany Vohilengo rehefa avy niasa tany Tangainony. Tratra maizina teny an-dalana anefa izy, ary nifanena tamin’ingahy Maniny, izay efa varimbarin’ny toaka avy any amin’ny nisy azy avy any. Tsy nisalasala araka izay ity farany nitolona azy ary nitondra sy nitarika azy ho any anaty ala. Tsy namelan’ingahy raha tsy vita ny filan-dratsiny, hoy ny fampitam-baovao azo. Tsy vitan’ny naolana anefa teo, fa mbola nampihariny ny habibiany ilay tovovavy : rehefa avy novelesiny tamin’ny hazo teo amin’ny tendany ary notsindrominy sy nanatsohany vy tany amin’ny fivaviana. Herisetra tsy roa aman-tany izay nitarika tamin’ny fahafatesan’ilay tovovavy.

Taorian’ity tranga nampivarahontsana ity dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary nanao ny famotorana sy nikaroka izay nahavanon-doza. Tamin’izay fotoana izay anefa, raha ny vaovao azo hatrany dia efa nalefan’ny havany nitsoaka niaraka tamin’ny rahalahiny tany Ankiliabo, Morondava ilay tsy valahara ary namoronana kara-panondro sandoka. Tsy marina izay tsy hipoitra anefa ka rehefa nihalalina ny fanadihadiana dia fantatra hatramin’ny toerana niafenan’ingahy Maniny, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny zandary tao Farafangana sy ny tao Mahabo. Voasambotra ihany ingahy. Nentina avy hatrany nihazo an’i Farafangana ary natolotra ny Fampanoavana taorian’ny fakàna am-bavany azy. Niaky tanteraka ny heloka natao izy, hoy ny zandary, izay tsy vitan’ny fanolanana intsony fa mbola niharo vono olona ihany koa. Azo heverina fa anisan’ireo hisantatra voalohany ilay famaizana vaovao natokana ho an’ny mpanolana ity farany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici