Tsy niandry ela taorian’ny fisamborana azy tetsy amin’ny fasan’ny karàna (afak’omaly) dia efa natomboka ny fanadihadiana isan’ambaratongany. Vao vita ny teo anivon’ny polisy dia natolotra avy hatrany ny fampanoavana tetsy Anosy. Miisa roa ny loham-piampangàna azy raha araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna. Fikasàna hamono olona izay enjehina araka ny andininy faha 295 sy 204 ao amin’ny lalàna famaizana ary koa ny fanolanana zaza latsaky ny folo taona ary araka ny andininy faha-332. Ny sazy miandry amin’ireo heloka roa ireo dia ny sazy an-terivozona mandra-pahafaty. Izany dia hiampy ny tsindrona famosirana na « castration chimique » izay efa miandry ny lalàna ho lany eny amin’ny antenimiera roa tonta sisa dia hihatra avy hatrany. Efa niaiky ny helony rahateo i Dawilly nandritry ny fanadihadiana isan’ambaratongany ary dia mazava izany ny mety hiandry azy aorian’ny fitsaràna izay mbola tsy voafaritra aloha ny fotoana. Raha araka ny fanazavan’ny fampanoavana dia mody nirahin’ity lehilahy ity ilay zazavavy enin-taona mba hividy sigara. Rehefa tafaverina dia nobatainy avy hatrany ary nentiny tao amin’ny trano haolo. Tao no nanamparany ny habibiany. Nodarohana, norangotina ary nokaikerina. Izany mazava hoazy dia niampy ny herisetra ara-nofo izay saika nanala ny ain’ilay zaza. Voamarin’ny taratasin’ny mpitsabo avokoa izany rehetra izany ary voamarika fa simba tanteraka ilay zazavavikely izay voatery niatrika fandidiana rehefa lasa nitambatra ny fitaovam-pananahany sy ny fivoahan’ny maloto. Raha tsiahivina dia nitsoaka tao an-tanàna (Imerintsiatosika) ilay lehilahy taorian’izay. Io farany izay voalaza fa resevera an’ny fiara mpitatitra. Nikaroka azy ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Naparitaka ny sariny. Nisy vokany izany satria ny alin’iny ihany dia efa nisy olona niantso polisy ary nilaza fa matory ao anaty taxi-brousse etsy amin’ny fasan’ny karàna i Dawilly. Nitombina tokoa izany ary dia tapitra hatreo ny làlan’ilay mpanao ratsy. Sazy an-terivozona roa sosona mandram-pahafaty izay sazy farantampony eto amintsika no miandry azy noho ny heloka vitany. Mbola tafiditra ao anatin’ny 200 voalohany hovosirina koa ny lehilahy raha atao ny kajy tsotsotra. Miandry ny lalàna ho lany sisa.
D.R